• [HP] NY TOERAN'NY TEOLOJIANA NA NY FIVAVAHANA MANOLOANA NY RAHARAHAM PIRENENA
    2025/07/04

    Averimberin'ny olona matetika foana ny hoe: ny TEOLOJIANA na PASTEUR na MPITANDRINA dia eny amin'ny pilopitra no asany fa tsy tokony hiditra amin'ny raharaham-pirenena. Lazaina hoe ny ARAM-PANAHY IHANY no andraikitry ny mpitondra fivavahana fa aleo hijanona ho amin'ny Mpanao politika ny resaka politika .

    Hadinon 'ireo miteny an'izany fa ny mpitondra fivavahana dia olom-pirenena, miaina anaty fiaraha monina sy firenena fa tsy hoe mitsingevana na miaina eny amin'ny habakabaka. Sahala izany koa ireo kristiana izay milaza fa ny paradisa sy lanitra no katsahiny fa tsy ny fiainana ety amin'izao tontolo izao ka dia tsy miraharaha izay resaka politika sy eto antany hono fa ny any andanitra ihany. Lasa tsy mipeha-tany intsony ny tongotra fa maniditsidina eny amin'ny rahona miandry zany paradisa izany . Tsy mahagaga raha ataon'ny Mpanao politika mifandimby fitaovana foana ny fivavahana satria hain'izy ireo tsara Ramalagasy sy ny fitiavana miangona sy manao amen amin'izay mahafinaritra ny sofiny.

    Ny teolojian'i BONHOEFFER manoloana ny fiainampirenena no karazana boussole hitondrako ny reflexion anio, fa TSY MAINTSY MI S'IMPLIQUER AMIN'NY RAHARAHAM-PIRENENA NY TEOLOJIANA, NY KRISTIANA fa tsy hoe TOKONY na hoe MAHAZO fa tena TSY MAINTSY.

    続きを読む 一部表示
    1 時間 43 分
  • [CA] DE L'ENFANT ROI À L'ENFANT DIEU
    2025/05/30

    Tsy misy tsy mikaikaika amin'izao fotoana izao ny ray amandreny manoloana ny fanabeazany ny zanaka.

    Mivadika ny globy ankehitriny fa marobe ny raiamandreny lasa baikon-janaka sy matahotra mafy ny zanany. Ilay zaza chouchouté mpanjaka kely no indro mivadika ho ENFANT DIEU (tsy refesin-mandidy).

    Tandremo fa tsy mahasoa na ho anareo raiamandreny ary indrindra indrindra ho an'ny zanakareo ny ENFANT DIEU.

    続きを読む 一部表示
    1 時間 53 分
  • [CA] ANDRIAMANITRY MOSESY sy ANDRIAMANITRY SPINOZA
    2025/05/02

    Niniana nafangaro foana hatrizay ny hoe : ireo Religions Monthéistes ( silamo, judaites, ary kritsiana). Noterena natao ihany koa ny atao hoe : ASSIMILATION hoe finoana Judéo Christianisme. Hany ka ny raisonnement de base mihitsy no nentina nanaovana ny analyse phénoménologique ny finoana kristiana ni -identifiena amin'ireo religions roa monotéhistes voalaza etsy ambony (silamo, judaiste).

    Hany ka tsy mahagaga raha DISO tanteraka ny fahalalana handraisana ny concept hoe : DIEU amin'ny kristiana raha mitaha amin'ireo finoana hafa ireo.

    Koa dia erreur fondamentale ny hitarafana ny concept DIEU kristiana miainga avy amin'ny fijerin'ireo finoana monothesite (izay nokianin'i Spinoza)

    続きを読む 一部表示
    1 時間 51 分
  • [HP] "EFFICACE" ianao "APPRÉCIÉ (mamy hoditra na mahafinaritra ny olona fotsiny)" eo anivon'ny FIARAHA-MONINA, FIRENENA misy anao ?
    2025/04/04

    Ny mpino dia lazain'ny Soratra Masina ho FAHAZAVANA sy FANASINA. Io fahazavana io anefa manelingelina satria mampibaribary zavatra maro, nefa koa manampy ny olona hahita tsara ny lalan kombany. Ity fampianarana anio ity dia hampisongadina bebe kokoa ny paradoxe hiainan'ireo izay tena FAHAZAVANA.

    Tonga amin'ilay fitenenana hoe "Ils sont à la fois détestés mais nécessaires".

    Koa eo indrindra no sarotra amin'ny safidy eo amin'ny mpino eny na tsy mpino koa aza, ka :

    - Na ianao "apprécié" (tian'ny olona sy mamy hoditra fotsiny fa tsy mitondra fanovana lalimpaka eo amin'ny FOTOMPISAINAN'NY FIARAHAMONINA akory ny fisianao ary tsy misy impact eo amin'ny fiaraha monina ny ataonao fa mijanona amin'ny hoe TIANY FOTSINY sy MAHAFINARITRA azy dia zay

    - Na ianao "detesté" fa misy impact na manazava ny zones d'ombres rehetra. Ny efficacité mantsy dia manambara ny marina sy manazava ny tokony ho fantatra saingy mazana dia tsy tian'ny olona henoina fa manelingelina azy donc normal ianao ho halan'ny olona saingy any afara anefa rehefa tena tojo situation tsy azo hiodivirana izy dia ampiasainy ihany iny amin'izay fotoana izay satria tsapany na dia nodiany fanina fotsiny aza fa iny ihany no mety sy efficace.

    続きを読む 一部表示
    1 時間 55 分
  • [CA] LE TRIO DU MAL (le MAL, le mal, le Malin)
    2025/03/21

    Avy aiza ny RATSY (Le Mal) ?

    Iza no nahatonga ny faharatsiana (le mal) ?

    Ary ao anatin'izany mahay manararaotra Ilay Ratsy (le Malin).

    Ireo zavatra telo ireo mifangaro sy mifangojo amintsika ka mahatonga ilay fanontaniana miverimberina foana hoe "Raha nisy Andriamanitra maninona no misy ny ratsy?"

    Ndao ho resahana ny fifandraisan'ireo sy ny fahasamihafany.

    続きを読む 一部表示
    1 時間 46 分
  • [HP] MALEDICTION FAMILIALE HOE ? ( OZONA ?)
    2025/02/28

    Nisesisesy be tato ho ato ny fanehoan-kevitr'ireo influenceuses sy mpikirakira facebook mahakasika ny amin'ny fisian' ny MALEDICTION FAMILIALE ( OZONA ) ; izany hoe hifandovana isaky ny taranaka mifandimby Ilay izy.

    Koa dia mba hitondra ny analyse ihany koa ny pejy RJL miainga avy amin'ny rélfexion scientifique sy théologique.

    Ny position tananay mantsy dia misy fototra sy loharanony LOJIKA avokoa izay mety hiseho eo amin'ny fiainan'ny olona iray fa tsy voahangy latsaka na tora bato avy any andanitra akory ( zavatra mystique ) . Ny hialana amin'ny fatalité sy déterminisme izay indrindra no anjara birikinay eto.

    続きを読む 一部表示
    2 時間 2 分
  • [CA] FANASITRANANA NY RATRAN’NY LASA / FANASITRANANA NY FARASISAN’NY HELOKA NATAO
    2025/02/21

    Izao fandaharana izao dia hanampiana antsika ho afaka eo ambany vahoan'ny farasisan'ny lasa sy ireo takaitra napetrany ao amitsika ka lasa mamatotra sy manandevo antsika.

    Tsy azo ovana tokoa ny lasa fa azo atao tsara anefa ny miala amin'ny farasisan'ny lasa. Asaina manokana ireo mpiandry sy mpitandrina fa mety amitsika rehetra koa ny hizarana ny fomba hiatrehana sy hanampiana ireo olona izay mijaly noho ny lasany ka manaloka azy ireo lalandava.

    続きを読む 一部表示
    2 時間 1 分
  • [HP] TSY MODELY HO HALAIN TAHAKA AHO (Je ne suis pas un modèle, ni un exemple à suivre)
    2025/02/07

    Dradradraina foana ny hoe : isika no MODELY arahin'ny olona. Principe nalaina avy amin'ny "développement personnel" (la dynamique du groupe).

    Nahoana ny finoako sy ny fitomboako ara panahy no hampanankinako amin'ny olona ?

    Tsy manao dia ana kanakana (manaradrenirano) ve izany ka izay compteny any vidiny hoy ny fiteny, izay hiafaran' Ilay olona no hiafaranao zany ?

    Loooooza raha zany no hiseho !

    Ny mimétisme sy exemplarité dia misy aspects hafa mihitsy izay tokony hotanana fa tsy arak'izay everantsika azy mihitsy.

    続きを読む 一部表示
    1 時間 36 分